KABARY FIARAHABANA TRATRY NY TAONA 2007 NATAON’NY JENERALY MARCEL RANJEVA (C.R.), MINISITRY NY RAHARAHAMBAHINY
Alatsinainy, 08 janoary 2007
Andriamatoa Sekretera Jeneraly,
Ramatoa sy Andriamatoa isany lehiben’ny Masoivohon’i Madagasikara any Ivelany,
Ry mpiara-miasa rehetra ato amin’ny Ministeran’ny Raharaham-Bahiny, na ny manatrika etoana, na ireo tsy tonga noho ny antony maro samy hafa,
Salovanina am-pitenenana ianareo tompoko, seranina am-pivolanana, mendrika omen-kaja, hitsiny omem-boninahitra ka anaovana azafady.
Ny fiarahaban-goaika hono, no vitan’ny kopakopa-kelatra sy ny angoanteda eny an’hanabakabaka, ny fiarahaban-gisa no mety amin’ny soritsori-doha sy ny hikiaka malefaka eo am-pifankahitana.
Fa ny fifampiarahaban’ny Mpiara-misa kosa dia teraky ny fo, tosaky ny molotra, satria fiarahaban’ny iray vatsy ka iray aina.
Arahabaina nahatratra ny taona 2007 ary tompoko.
Arahabaina tafahaona samy tsara tompokolahy, arahabaina samy soa tompokovavy.
Hotahin-Janahary anie isika mianakavy, hieren-doza, hidifin’ny atambo, fa ho sendran’ny soa sy mahasondriana, ho tojon’ny mamy mahaliana .
Ho toy ny rano ambody vondrona: tsy ho diso ny sambatra, tsy ho dilan’ny mananjara.
Tompokolahy sy tompokovavy,
Fanontaniana fototra amin’ny tonon-taona tahaka izao ny hoe: “Fa nahoana tokoa moa isika ireto no mbola tafaraka, ka mifampiarahaba nahatratra ny taona eto indray?”
Amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany ny tenako eto amin’ity Ministera ity, nanomboka ny volana may 2002 ka hatramin’izao janoary 2007 izao, dia heveriko fa tsy mety ny manao toa ilay Rafotsibe nanandran-daoka, nefa sady tsy milaza ny tsirony, no tsy milaza ny tsatsony.
Ary eto aho dia tsy hanao ilay noana nihinana akondro, ka ny hodiny indray no nohaniny aloha, fa toa ireo traky nify mifankatia sy mifanatrika, ka na sendra misy tsy mety aza, tsiky foana no hitan’ny mpitazana.
Tsy dia fanao loatra ny midera-tena toy ny papelika, kanefa azo ambara fa nahitam-bokatra ny fomba fiasa nentintsika nanorina ny fototra ho fampandrosoana an’I Madagasikara, tao anatin’izay dimy taona niarahana izay!
“Mihatsara ny endriky Madagasikara any ivelany”, hoy ny “doyen” tamin’ny kabariny vao omalin’ny omaly, ary nataony porofo tamin’izany ny fisokafan’ny masoivoho samihafa, ny fandraisan’ny Filohan’ny repoblika ireo mpiandraiki-draharaha maro, ny fanasàna an’I Madagasikara mba handray anjara amin’ny fihaonana iraisam-pirenena isan-karazany.
Midika izany fa olona mahay miara-monina sy mahay miara-miasa miaraka isika, ka nahavita ireo iraka nampanaovina antsika.
Eto dia tsara ny manamarika, fa tsy mora velively akory ireo andraikitra nanirahana antsika ireo. Araka izany, raha tojo amin’izao vita fototra izao isika, dia tsy misy nanao volo nanoha randrana, na nanao rainazy ny isan-tsehatra, sy isan’ambaratongany, na ny teto amin’ny foibe, na ny tany amin’ireo masoivoho.
Isika jiaby niasa miaraka, no nahavita izay, fa tsy noho ny fahaiza-manaon’olom-bitsy, na sanatria olon-tokana. Vokatr’ilay fiaraha-misaina, sy fiaraha-mandray, ary fiaraha-manatanteraka tokoa no mbola ahafahantsika mifampiarahaba, nahatratra ny taona eto anio!
Tompokolahy sy tompokovavy,
Fantatra fa mifandray amin’ny firenena sy vondrona iraisam-pirenena maro, manerana izao tontolo izao tokoa, I Madagasikara ankehitriny.
Isika teto amin’ny Raharaham-Bahiny anefa, dia tsy nionona tamin’izay fampahafantarana sy tamin’izay fifandraisana fotsiny, fa nivelatra nankany amin’ny lafiny ara-toe-karena: dia ny fitadiavana ireo hiara-miombon’antoka, ny fitiliana ireo toerana hivarotana ny vokatra atsy ho atsy.
Satria ny filamatra, dia ny fialàna amin’ny famokarana mamahantena fotsiny, fa hifantoka amin’ny famokarana mitodika any amin’ny tsena amin’izay, araka ny voafaritry ny “MAP na Madagasikara Amperin’Asa”.
Manana andraikitra manokana ny ministerantsika amin’ny fanamby napetraky ny MAP, izay ho tsiahiviko fohy etoana:
- Fanamby faha 6: “mampitombo ny fahafahana mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena”, ka isika no mamporisika asa fampahalalàna amin’ny alalan’ny Masoivoho sy Consulat, ary koa manantanteraka hetsika fampahalalana ny entana avo lenta.
- Fanamby faha 9: “mampiasa ny fiaraha-miasan’ny firenena eo amin’ny vondrom-paritra”. Anjarantsika ny mampirindra ny paikadin’ny firenena sy ny vondrona ara-paritra.
- Fanamby faha 10: “mampiasa ny fifandraisana ara-diplomatika manohana ny fampandrosoana”, ka isika no hikarakara seho eo anivon’ny faritra sy iraisam-pirenena.
Anjarantsika ihany koa no mampitombo sy manome lanja ny fandraisana anjara, any amin’ny fivoriana iraisam-pirenena, ny manatsara ny fandraisan’ny tsy miankina anjara amin’ny fifampiraharahana iraisam-pirenena, ary mampiroborobo ny fiaraha-miasa, eo amin’ny firenena iray faritra.
Raha ireo fanamby ireo no zahàna, dia azo lazaina fa efa nahatondra sahady ampaham-biriky ny ministera, ary inoana amin’ny ho avy fa hahavita ny anjarantsika ara-potoana eo amin’ny fananganana ny rindrina.
Ka ho Rindrina tsy ho voahogan-drivotra, tsy ho zakan-tadio, tsy ho levon’ny orana, tsy ho laitran-kavandra , fa ho Rindrina hahazaka izay rihina sy tafo tiana hatao aminy!
Ilo mby an-doha izany tompokovavy, ka aza hararaka an-tany. Voninahitra an-tsobika izany tompokolahy, ka aza atao am-patram-bary.
Ary ny fanaperana sy ny lafatra moa mbola tsy misy, fa apetraka ho tanjona hatrany.
Tsy matsiro avokoa izay nandramana, fa ao ihany ny matsatso. Ankilany koa ny saonjo iray lohasaha, tsy ilaozan’izay mamarara. Ny mahay ihany koa anefa no atoro, ary ny Hendry ihany no hanarina.
Voalaza ombieniombieny, fa hiova ny fomba fiasa eto amin’ny firenena manomboka izao, ka ny “miasa tsara, miasa mafy, ary asa vita ara-potoana” no filamatra.
Tsy ny tsinay kely mahamaimbo ny atiny velively ny Raharaham-bahiny amin’io lafiny io, satria efa anisan’ireo nampihatra izany fomba fiasa izany rahateo.
Fanohizana ny ezaka, sy ny fanatsarana izany no andrasana amintsika.
Tompokolahy sy tompokovavy,
Ny fanjakana Malagasy dia nisafidy ny Demokrasia. Fahaiza-mitondra ajoron’ny tany tan-dalàna, sy voizin’ny fangaraharana no mifehy izany.
Malalaka ny tsirairay haneho ny heviny, ary tsara avokoa ireny, rehefa tsy manelingelina ny fiainan’ny maro an’isa. Raha ny ministeran’ny raharaham-bahiny no resahina, dia mendrim-piderana ny fahaizan’ny solontenan’ny mpiasa manara-penitra hatrany tamin’ny fifampiraharahana izay natao teto amin’ny toeram-piasana.
Heno ny hetaheta nampitain’Andriamatoa Sekeretera jeneraly teo. Ekena, ary amim-panetre-tena, fa tsy ho tomombana avy hatrany avokoa, ireo hetaheta sy faniriantsika, nohon’ny antony maro samy hafa, izay efa fantantsika rahateo, ka tsy ivalamparana.
Aoka kosa anefa, mba hiarahantsika miaiky eto, araka ny dinika efa nifanaovanareo tamin’ny tompon’andriaikitra miadidy anareo tsirairay avy, sy ny fifanankalozan-kevitra efa nataontsika, fa ny azo natao rehetra, dia nataontsika tokoa tao anatin’izay dimy taona izay.
Ry Mpiara miasa rehetra tsy avahana ato amin’ny Ministeran’ny Raharaham-Bahiny, Ny fisaorana hono toy ny fary lava vany sy tantely an-tanan’ny Hendry, ka izy manolotra: olo-mihaja, ny tolorana: mana-kaja.
Fankasitrahana mitafotafo no asetrinay mivady ny fanomezana natolotrareo ho anay teo.
Hitady mba hahita anie ianareo, ary izay hita hanambina, ka ny fanambinana azo : hahasoa ny tena, hanasoavana ny hafa, ho hajan’ny raharaham-Bahiny, ho voninahitr’I Madagasikara.
Dia hahatratra ny taona mitsingerina indray tompokolahy sy tompokovavy.